Sambava: Nitsoaka ilay Pasitera voarohirohy ho nanao fanararaotana ara-nofo tamina vehivavy vao tera-bao

  • mardi, 22 janvier 2019 15:33

Akory ny hatairan’ny mpino sy ny mponina tao amin'ny Kaominina Maroja, Distrikan’i Sambava momba ny tranga izay niseho ny alatsinainy 14 janoary lasa teo tamin'ny fito ora maraina.

Toy ny fanaony mahazatra dia mamangivangy ny mpifanila vodirindrina aminy ilay pasitera ka tamin'izany indrindra dia nitsofoka tamina tokantrano iray ka sendra ity ramatoa ity mitsotsotra eo ambony fandriana, noho izy vao avy namoy ny zanany teo ampiterahana.

Noheveriny fa hitondra fampaherezana azy ilay pasitera, kinanjo nanomboka nanao vazivazy zary tenany ary nanohy ny resany fa « tsy maintsy ataontsika fo eky raha ty androany na tiana na tsy tiana e ».

Nihevitra ilay vehivavy fa mbola sangisangy masina ihany no nataon’ny pasitera kanjo zavatra tena izy ary nanomboka nipetapetaka teny an-tehezany izy ka voatery nivoaka ny trano ary lasa nivantana tany amin'ny tranon'ny rafozam-baviny ilay ramatoa nitantara ny zava-nihatra taminy.

Raha nandre izany ilay rafozam-bavy dia mba te hamotopototra inona marina no saika tian’ny pasitera hatao tamin'ity vinantovaviny ity ka nampilaza tany amin'ny mpiara-mivavaka dia ireo lohandoham-pisorona tao.

Nihitatra ny raharaha ny Talata, ampitson’io, ka lasa tany amin'ny Fokontany. Niezaka ny lehiben’ny Fokontany nampiantso an’ny Pasitera mba hahitana ny marina.
Nihitatra hatrany ny raharaha satria nitsoaka ilay Pasitera ka tsy misy mpiandry intsony ny zanak'ondry amin'izao.

Nandray andraikitra ny fiangonana foibe eto Sambava ary tamin’io fotoana nitsoahan’ny pasitera io ihany dia efa nandefa iraka nankany an-toerana no sady nanendry pasitera vonjimaika, ary efa nisy ihany koa ny fifanatonana teo amin'ilay reny malemy sy ny fianakaviana araka ny nambaran’ny pasitera iray avy amin'ny foibe Sambava.

Fa efa fantatra ankehitriny any ambanivohitra antsoina hoe : Manakana Lokoho ilay pasitera saika hametaveta vehivavy io. Inona ny fepetra horaisin’ny foibe aminy : mbola hotazomina ho pasitera ihany fa hafindra toerana sa izy mihitsy ny hisafidy ny hijanona.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.