Sambava: Zava-pisotro lany daty iray 4x4 saron'ny sampandraharan'ny varotra sy ny fanjifana

  • samedi, 19 janvier 2019 21:15
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voatery nosimbana teny Ampandrozonana ireo zava-pisotro lany daty izay saron'ireo tompon'andraikitra nandritra ny fidinan'izy ireo tamin'ny tranom-barotra maromaro teto Sambava.

Nisy bisky sy fanafody lany daty sarona ihany koa.

Nanao antso avo ny Talem-paritry ny sampan-draharahan'ny varotra sy ny fanjifana SAVA Atoa BE Christophe: "Manentana izahay mba hahatsapa tena ny mpivarotra mba tsy hivarotra intsony ireo zavatra lany daty ary ho antsika mpanjifa ihany koa dia aoka hanana fahazarana hijery ny daty hita amin'izy ireny fa manimba ny fahasalamantsika izy ireny''.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.