Sambava: Mirongatra sahady ny halatra lavanila tsy mbola matoy

  • mercredi, 16 janvier 2019 13:51

Androany maraina io no tra-tehaky ny Fokonolona tao Benavony, Kaominina Farahalana, ny renim-pianakaviana iray, izay teraka tany am-ponja, ka vao nahavita sazy dia izao namerin-keloka izao sahady, nangalatra lavanila tsy matoy milanja 13kg.

Ny taona 2017 ity renim-pianakaviana ity no nidoboka am-ponja noho halatra lavanila. Bevohoka izy tamin’izay ary teraka tany am-ponja, dia izao naterina any amin’ny tobin’ny Zandarimaria Farahalana izao indray ary efa atao famotorana momba ity tranga ity.

Nitrangana halatra in-droa miantoana ihany koa tao amin’ny Fokontany Soavinandriana, Kaominina ambonivohitra Sambava ny herinandro lasa iny, izay nahaverezana lavanila tsy matoy milanja any amin’ny 40kg, izay an’Atoa Avizara, ary ny tranga faharoa dia mbola teny an-tanimboly ny an’Atoa Honoré Tarimy no nisy nangalatra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.