Fahasalamam-bahoaka: Raikitra ny Fanaovam-baksiny miaro amin'ny kitrotro

  • lundi, 14 janvier 2019 10:08

Nanomboka androany ary haharitra hadimiana, 14 ka hatramin’ny 18 janoary 2019, ny Hetsika fanaovam-baksiny faobe miaro amin’ny aretina kitrotro karakarain’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka.

Ny zaza rehetra 9 volana ka hatramin’ny 9 taona no tsinjovina manokana ary tanjona ny ahavitana farafahakeliny vaksiny ny 95% amin’izy ireo.

Distrika miisa 25 ao anatin’ny Faritra 13 eto Madagasikara no hisantarana izany dia Ambatondrazaka, Amparafaravola, Moramanga, Toamasina I, Toamasina II, Maevatanana, Marovoay, Mahajanga I, Antalaha, Morondava, Ambatolampy, Antanifotsy, Antsirabe I, Antsirabe II, Ambositra, Fianarantsoa I, Toliara I, Tsiroanomandidy, Arivonimamo, Ambohidratrimo, Andramasina, Manjakandriana, Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano ary Avaradrano.

Hisitraka ny hetsika ny distrika miisa 41 hafa amin’ny volana febroary 2019 ary ny distrika miisa 48 ambiny amin’ny volana aprily 2019.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.