Antsirabe: Fanafihana mitam-basy, lasa ny vola amina hetsiny, olona roa naratra

  • jeudi, 10 janvier 2019 14:33
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nitrangana fanafihan-jiolahy tao Mahafaly Vatofotsy-Antsirabe ny harivan’ny alarobia 9 janoary 2019. Olona mpianaka roa no naratra mafy sy manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitalin’Andranomadio vokatr’izany.

Mpivarotra ity voatafika ity, ary jiolahy niisa efatra teo ho eo no nanao ny fanafihana, izay nitondra basy lava misy hazo ny vodiny. Tokony tamin’ny 8 ora sy sasany hariva io fanafihana io, izay tao anatin’ny nahatapaka ny jiro tamin’izay.

Vao tafiditra ireo jiolahy, dia ny vola avy hatrany no notadiavin’ireo jiolahy, ary ilay zazalahy namoha ny trano no voadaroka vy tamin’ny lohany, ka nahitana dian-dratra niisa telo. Taorian’izay dia ilay renim-pianakaviana indray no nosamborin’izy ireo sy nodarohany ihany koa ary notereny hamoaka ny vola, ka telo hetsy Ariary mahery no lasan’ireo jiolahy.

Tafavoaka ny trano ary afaka niantso vonjy izy mianaka ka dia tonga ny Fokonolona ary nitsoaka ireo jiolay. Ratra telo ihany koa moa no nahazo ilay renim-pianakaviana tao min’ny lohany ary notapahin’ireo jiolahy ny rantsan-tanany iray.

(Sary Gasypatriote Antsirabe)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.