Sambava: Ankizy avy nihinana bokom-bolo iray maty, iray hafa marary mbola tsaboina

  • mercredi, 09 janvier 2019 18:29
  • Sary fanehoana

Tranga nanaitra ny mponina ao amin’ny Fokontany Maevatanana, Kaominina Bemanevika ny nahafatesana zaza izay manodidina eo amin’ny 7 taona ny marainan’ny alatsinainy 07 janoary 2019, ary natao veloma farany androany maraina. Misy zaza iray hafa mbola manaraka fitsaboana amin’ny fomba Malagasy fa tsy nanaiky ho entina amin'ny tobim-pahasalamana ny fianakaviany.

Tsy fantatra na fifandrian-javatra na mety misy fanapoizinana niaraka fa ‘’sarotra aminay ny miditra amin’io tranga io » hoy ny tompon’andraikitry ny fahasalamam-bahoaka eto amin’ny Distrikan’i Sambava satria « tsy mba nandeha tany amin’ny hopitaly ireo fa nitsabo tany ho any ihany » koa araka izany dia mety hijanona ho baraingo mandrakariva ny antony nitarika izao fahafatesana izao.

Fa ny fantatry ny fianakaviana dia nisy ankizy maromaro samy tao Maevatanana io nanenjika bokom-bolo kely (kazarana ragidro) dia niara-nanenjika azy dia rehefa azo dia ireto roa ireto nitondra azy nody dia nihinana azy.

Nalevina androany ilay zaza nodimandry.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.