Antsirabe: Vehivavy hita faty ny 01 janoary 2019

  • mercredi, 02 janvier 2019 18:25
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nahitana fatim-behivavy iray teo amin'ny Fokontany "Manodidina ny Gara", renivohitry ny Faritra Vakinankaratra, ny harivan’ny 01 janoary 2019, tokony ho tamin’ny 8 ora sy sasany teo ho eo.

Tsy nisy nahafantatra aloha hatreto ity tovovavy ity hatramin’izao hanoratana izao ka dia napetraka ao amin’ny tranompaty hopitalibe ny razana.

Raha ny fanazavana nomen’ny mpitsabo iray ao amin'ny BMH sy ny mpitandro filaminana dia olona no nampandre azy ireo ny fisian’ity razana ity, ka rehefa natao ny fitsirihana dia noheverina fa mety efa maty tany amina toerana hafa izy ity vao nariana teo.

Tombanana ihany koa fa toa nosemporina tamin’ny “sachet” ity zazavavy ity satria mbola nahitana izany teo amin’ny lohany tamin’ny fotoana nahitana ny razana.

Raha ny tombatomban’ny mpitsabo sy ny mpitandro filaminana ihany dia mety saika haolana na nisy zavatra saika hatao tamin’ity zazavavy ity saingy mety safotra na torana izy dia notondrahana rano novelomina saingy tsy tana ny ainy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.