Toamasina: Lasa Toby « Jeneraly Randrianazary » ny tobin'ny fari-piadidian'ny Zandarimariam-pirenena eo Analakininina

  • jeudi, 27 décembre 2018 20:52
  • Sary Gasypatriote Toamasina

Toby "Pointe Tanio" no anarany teo aloha. Tonga teto Toamasina ny praiminisitra Ntsay Christian fa tsy namonjy ny lanonana namoahan'ny CENI voka-pifidianana vonjimaika.

Niatrika ny fotoana ny fianakavin'i jeneraly Randrianazary izay notarihan'ny vady navelany.

Noho ity jeneraly ity isan'ireo Sekreteram-panjakana avy eto anivon'ny faritan'i Toamasina voalohany nihazona izany no nahatonga ny fanjakana nanaiky izao fanovana ny Tobin'ny fari-piadidian'ny Zandary Toamasina nampitondraina ny anarany izao tamin'ny faneken'ny fianakaviany.

Ny jeneraly Randrianazary no voalohany namoaka lalàna nahazoan'ireo vehivavy miditra ho isan'ny fianakaviam-ben'ny Zandary tamin'ny naha-Sekreteram-panjakana azy, mbola izy ihany koa no namorona ny sampan'ny “Groupement de Sécurité et d’Intervention Spéciale”, na GSIS teo anivon'ny Zandary, ary efa Talé Jeneraly nisahana ny “Central Intelligence Service”, na CISteto Madagasikara.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.