Mampikony: Omby 200 lasan'ny dahalo, Jamà efa-dahy maty voatetitetika

  • jeudi, 13 décembre 2018 18:21

Nitrangana fanafihan-dahalo taty amin'ny Kaominina Malakialina sy Mampikony II ny talata vao maraim-be.

Dahalo 55 mitondra basy kalaky iray sy Mas36 telo ary pilotra no nanafika ireo Fokontany amin'ny sisintany mampisaraka an'ny Distrikan'i Mampikony amin'ny Distrikan'Andilamena, dia Bepatso, Ambalavelona ary Ambalahasy.

Nanara-dia ireo Jamà efa-dahy, nanaraka avy ato aoriana ny Fokonolona. Nifankatratra tao Tampoketsa ireo dahalo sy ireo Jamà ny talata tamin'ny roa ora tolakandro. Nisy ny fifandonana. Lany bala ireo dahalo, ka pilotra sisa no nifanafihana. Tamin'izany no nahalavo ireo Jamà. Maty tsy tra-drano nokapakapain'ireo dahalo izy efa-dahy.

Tsy mbola tafaverina ireo omby, manohy ny fanarahan-dia ny Fokonolona ampian'ny Zandary.

Lasibatry ny dahalo koa tamin'io andro io tao amin'ny Kaominina Malakialina, Distrikan'i Mampikony. Omby roapolo no lasa ary tsy mbola tafaverina.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.