Afisy "hosoka": Nametraka fitoriana olon-tsy fantatra ny K25 Antsirabe

  • jeudi, 13 décembre 2018 18:08
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Nitafa tamin’ny mpanao gazety ny hariva teo ny mandateran’ny K25 Antsirabe, nanoloana ny fahatratrarana ireo afisy marobe an’aliny misy sarin''i Marc Ravalomanana sy Hery Rajaonarimampianina, saika haparitaka teto Antsirabe.

Teo amin’ny toby fiantsonana teo Vatofotsy moa no nahatratrarana azy ity androany maraina ary avy any Antananarivo ny fiaviany.

Nambaran’i Maitre Norosoa Raharimalala fa tsy avy amin’ny foiben’ny K25 no nivoahan’ireny afisy ireny fa paika nentin’ny kandidà mpifaninana sy ny mpomba azy hanaratsiana ny kandidà Marc Ravalomanana.

Nambaran'i Maître Noro fa ny fampiasana ny sarin’ny kandidàn’izy ireo fotsiny nefa tsy nahazoana alalana dia efa heloka maha voasazy.

Raha ny fanazavany ihany dia tsy nisy nahafantarana ity “colis” ity, fa anaran’olona hoe : "Henitsoa" ihany no teo amin'ny fonosana ary tsy nisy laharan-tarobia akory aza.

Efa naseho ny vadintany ny toerana nisian’ireo entana sy ny fanamarinana ny fisiany ary dia nogiazan’ny mpandrindran’ny K25 ireo afisy rehetra.

Tombanana ho nanodidina ny 10.000 isa tany ho any ny fitambaran’ireo afisy ireo satria fonosana 10 amin’ny 1.000 ireny izy ity ary kalitao tsara dia tsara ny taratasy nanaovana izany.

Efa napetraka araka izany ny fitoriana olona tsy fantatra.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.