Faritra SAVA: Nahazo fitaovana fitiliana Tuberculose

  • samedi, 24 novembre 2018 10:15
  • Sary Gasypatriote Sambava

Napetraka tamin'ny fomba ofisialy eto amin’ny Laboratoire CHRR Besopaka Sambava ity milina iray, izay natokana hitiliana ny aretina tuberculose ity, ka ny teknisiana avy amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka no tonga nametraka izany.

Ao anatin’ny adiny 1 sy 50mn iasan'ity milina ity dia efa afaka mamoaka ny vokatra ny fitiliana izay tsy diso mihitsy fa na misy tuberculose ilay olona na tsia.

Manomboka izao dia tsy hiala aty amin'ny Faritra SAVA intsony ireo izay marary.

Lafo vidy ny fitaovana (65 tapitrisa Ariary) nefa ny fitiliana sy ny fitsaboana ny aretina tuberculose manontolo dia natao maimaimpoana ho fitsinjovana ny tombontsoam-bahoaka.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.