Behevo-Maintirano: Omby halatra 149 sarona niaraka tamina dahalo 10 lahy

  • mercredi, 21 novembre 2018 13:48

Nahazo tatitra avy amin'ny Fokonolona tany an-toerana ny Zandary fa misy omby maherin'ny 100 hitan'izy ireo tao amin'ny kaominina Behevo-Distrikan'i Maintirano, Faritra Melaky. Nokasaina hoentina tany Andranomavo ireo omby ireo mba hamidy ary noroahana andian'olona.

Natao ny vela-pandrika sy ny fanarahan-dia ka sarona ny 10 lahy, niaraka tamina basim-borona iray sy omby 149. Taratasy hosoka avokoa ny taratasin'ireo omby ireo ary nanaporofo ny maha halatra ireto omby ireto ihany koa ny fisian'olona hafa nanao fanarahan-dia ka nahitany ny ombin'izy ireo 16 isa tao anatin'ireo omby 149.

Mbola tanan'ny Zandary ireo omby ambiny nanesorana ny 16 efa hita tompo, ary mbola mandeha ny fanadihadiana lalina mahakasika izao raharaha izao.

Tambazotra iray matanjaka mahavoasaringotra olona maromaro ity tratry ny vela-pandrika ity.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.