Sambava: Mpanolotsainan’ny Kaominina tonga nandroaka ny Talem-paritra ny fifamoivoizana sy famantarana ny toetr'andro

  • mardi, 20 novembre 2018 19:44
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny alatsinainy 19 novambra tamin’ny folo ora maraina no tonga tao amin’ny biraom-paritra vaovao, izay vao napetraka aty SAVA ny Mpanolotsaina iray eo anivon'ny Kaominina ambonivohitr'i Sambava nangata-panazavana ny nahafahany nametraka ity birao ity ato amin’ny tranom-pokonolona nefa tsy nandalo "délibération" taty aminay ka nandidy ny hamohana ny entana tsy misy hatak’andro.

Niafara tamin’ny fifamaliana mahery vaika ny toe-draharaha.

Androany dia nanambara ny Talem-paritra vaovao napetraka hisahana ity sampan-draharaha ity Atoa Modeste Justin fa "nahazo alalana avy amin’ny mpitondra mpanatanteraka eto Sambava, vao afaka nahazo ny fanalahidin'ny trano ary nankatoavin'ny mpitondra eto an-toerana, koa tsy hitako izay ilana "délibération"-n'ny mpanolotsaina indray fa ny tsapako dia mbola lonilony nisy teo aloha tamin’ny naha PDS ahy teto amin’ny tanàna ity nafitsok’ity mpanolotsaina ity".

Nampakarina any amin’ny isam-baratongany amin'ny mpitondra aty amin’ny Faritra SAVA ny raharaha dia ho hita eo izay hiafarany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.