Fianarantsoa: Banga ny laharan'ny mpanao gazety

  • samedi, 17 novembre 2018 09:55
  • Sary nindramina

Ny andron'ny sabotsy 17 novambra ity no anantanterahana ny fanaovam-beloma amin'ny fomban-drazana ny namana Fidèle Jules Rakotonirina sy fanitrihana am-pasana ny nofo mangatsiakany ao Ampatora Andrainjato Est.

Fampitam-vaovao miavaka momba ny tantsaha sy fanentanana azy ireo amin'ireo tetik'asa fampandrosoana maro karazany ny lova navelany ho an'ireo mpihaino ny Radio Mampita, izay toerana niasany hatramin'ny 1997. Fihavanana sy fahatsiarovana feno tsiky hatrany no napetrany ho an'ny namana mpanao gazety eto an-toerana sy ny manodidina, hatrany Afrika izay nanarahany fiofanana tamin'ity taona ity.

Namela mananontena iray sy zanaka 7 mianadahy kosa izy amin'izao fahalasany izao. Tsy amim-pidiny tokoa ny faharavan'ny ainy satria lavon'ny asan-dahalo tamin'ny talata lasa teo ity mpanao gazety mafana fo niaro ny mpiara-belona taminy ity.

Niady tamin'ireo mpanafika an-trano telo lahy izy mba ho fanavotana ny mpiaramonina aminy ka tsatok'antsilava ny nandavo ny ainy tamin'izany.

Efa eo ampelan-tanan'ny Commissariat Central eto Fianarantsoa ny fikarohana ireo nahavanon-dratsy amin'izao fotoana izao. Miandry fatratra ny fisehoan'ny rariny momba izany ny fianakaviamben'ny mpanao gazety eto an-toerana sy namany akaiky izay misaona izao faharavana izao.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.