Sambava: Mpiasany Faritra SAVA voatondro ho mpangala-jaza, niharan'ny daroka

  • mercredi, 14 novembre 2018 15:32
  • Sary Gasypatriote Sambava

Voatery nalefa ato amin’ny CHRR Besopaka omaly tamin’ny folo maraina fa tsy voatazona tany amin’ny tobim-pahasalamana Andrasaha Ambinany Kaominina Andrahanjo izay nisehoan'ny tranga niteraka savorovoro ity.

Androany vao afaka nitantara ny nanjo azy Atoa Albert Primo (contrôleur barrage Région SAVA). ’’Ny Asabotsy lasa teo dia nandeha namonjy lanonana fidiran-trano tany Andrasaha Ambinany ny tenako ka tamin’ny fahatongavako dia namory ankizy manodidina tany amin’ny 20 tao amin’ny trano nivantanako aho, izay nizarako fanomezana kojakojam-pianarana mba ho anjara birikinay amin’ny fanampiana ny ankizy hiditra an-tsekoly. Tao anatin’izany indrindra anefa dia nisy nanaitra ny mponina fa misy vahiny mpangala-jaza tonga eto amintsika ary tompo-tanàna eto no nanafatra azy. Niaraka tamin’izay dia efa andiana tanora maro no tazako teo ambaravarana ary nodarofan’izy ireo fa mitady hangala-jaza. Isaorako anefa ny mponina fa tsy izy rehetra no nidaroka fa andiana tanora tsy fantatra dia iza no nampiely ny tsaho ? Tamin’io sabotsy 10 novambra 2018 tamin’ny iray ora tolak’andro no tafiditra hopitaly tany an-toerana aho dia amin’izao nampiakarina aty Sambava ary mbola manaraka fitsaboana noho ny faritry ny lohako mbola misy tsy azoazo’’.

Tonga nitsidika sy nitondra famangiana ho azy ny solombavambahoaka voafidy teto Sambava Mamangy Norbert dit Jack, toy izany koa ny lehiben'ny Faritra SAVA Velomaro L’Faustin.

Ny zava-misy aty amin’ny Faritra SAVA amin’izao dia efa tsy manana fitokisana amin’ny vahiny mihitsy ny vahoaka any ambanivohitra noho fisehoan’ireo tranga mifanesy ataon’ireo mpivahiny sasany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.