Sambava: Misy mitonona ho avy amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy Antananarivo tonga mangata-bola

  • lundi, 12 novembre 2018 21:18

Manomboka miteraka fahasorenana ho an'ny maro ity toe-draharaha mangata-bola manomboka any amin’ny 150.000 Ariary ity. Nanambara ireto milaza fa iraka avy amin'ny Ministeran'ny Asa Vaventy ireto tamin’ireo izay notsidihin’izy ireo fa tafiditra amin’ity vola takiana ity ny fanamboaran-dalana Ambilobe-Vohémar.

Manoloana izany dia nanao fanambarana toy izao ny Prefen'i Sambava, Mananjara Boniface : ’’Efa misy amintsika aty isan-taona ireny olona mandeha mangatangataka vola amin’ireny mpivarotra sy opérateurs ireny, dia tenenina sahady fa raha tsy sitraponareo dia aza manome vola azy ireny, na misy sonia na tsia any, ary na iza no nanao sonia azy na iza dia tsy mahazo omena vola ireny olona ireny raha tsy hoe sitraponareo. Efa tonga ihany koa ny fanararataona mandeha mitsentsitra vahoaka mandeha mangataka vola amin’ity Sambava ity’’.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.