Sambava: Infirmier nanao fandidiana marary tao an-tranony dia nahafaty olona

  • mercredi, 24 octobre 2018 09:30
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny alatsinainy 22 oktobra 2018, tokony tamin’ny enina ora hariva, no maty tao antranon’ity Infirmier tsy miankina ity ilay raim-pianakaviana monina tao amin’ny Fokontany Antognopahitra Kaominina Bemanevika.

Vao naheno io tranga io dia taitra ny avy tao amin’ny fahasalamana ka nandefa iraka avy hatrany nanao fitsirihana ny razana omaly talata 23 oktobra 2018, tamin’ny 8ora maraina, ary tonga teny ihany koa ny avy amin’ny mpitandro filaminana, avy amin’ny Poste Avancé Anjagnoveratra.

Nosamborina avy hatrany ity Infirmier ity, fa nony teny an-dalana raha vao avy niampita ny renirano Sambava dia nitsoaka izy ka raikitra avy hatrany ny fanenjehana azy ka tsy lasa lavitra dia saron’ireo Zandary telo lahy niara-dia taminy ka nentina tany amin’ny Poste avancé Anjagnoveratra tamin’ny 10ora sy sasany teo.

Toy izao ny fanazavana nataon’ny Médecin Inspecteur Sambava Dr Volamiharana Adélaïde : ’’Rehefa tonga tany moa ny mpiasan’ny fahasalamana dia nanamarina fa tena nisy tokoa ilay tranga, ary rehefa nojerena ilay olona nanao ny asan’ny fahasalamana amin’izay tsy tokony ho izy izay, dia olona efa notadiavinay ho nanao zavatra tsy mety tato anatin’ity faritra ity na dia efa nampiseho taratasy taty aminay tamin’ny nahatongavany ny volana oktobra 2016, izay nitonona ho Infirmier izy, ary tena nampanahirana satria vao iray volana izy efa avy nanatitra olona nodidiany ihany koa tetsy amin’ny CHRR Besopaka dia nitsoaka izy taorian’izany ka izao vao tratra izy. Fa tsy fantatro izay fomba entiny mandresy lahatra ny olona any ambanivohitra manaiky hodidiany fa raha tokony ho izy dia aty amin’ny hopitaly ihany ny fandidiana rehetra.’’

Anio 24 oktobra 2018 no atao ny fandevenana ilay raim-pianakviana izay maty. Voalaza fa aretina tsy tokony hodidiana ity nataony ity ary vola teo amin’ny 900.000 Ariary no nanaovany izany ka nanomboka ny 18 oktobra 2018 no nandraisany ity tsy salama ity dia izao niafara tamin’ny fahafatesana izao.

Andrasana ny famotorana ataon’ny mpitandro filaminana ity milaza ho Infirmier ity mialohan'ny hanolorana azy any amin’ny Fitsarana Ambaratonga voalohany Antalaha.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.