Fampielezan-kevitra: Maro ireo kandida tsy hita, ao koa ireo tsy manara-dalàna

  • samedi, 13 octobre 2018 15:16
  • Sary Gasypatriote

Manitsaka ny andro faha 6 androany ny fotoanan'ny fampielezan-kevitra, nefa dia maro ireo kandida no tsy re mihitsy na any amin'ny haino aman-jery, na mametaka afisy, na mamory vahoaka.

Samy manana ny paik'adiny fa mampanontany tena ny antony nilatsahana raha hitazam-potsiny ireo hafa, izay hita misongadina, ary misy ireo manatosaka vola be mihitsy, izay mbola tsy fantatra mazava moa ny loharanom-bolany.

Maro ihany koa ireo tsy manaja lalàna sy ny fiaraha-monina, ka dia mametaka afisy eny rehetra eny, isan'izany ny apetaka amin'ny rindrin'olona sy andrin-jiron'ny Jirama na ny Paositra izay voararan'ny lalàna.

Ao ihany koa no mandrovitra ny afisin'ny hafa, no sady mametaka ny azy.

Tsy mahafehy ireo mpoba azy ve ireo kandida, sa efa mampiseho ny fomba hitantanany firenena amin'ny ho avy, ka izay tiany atao no atao, fa tsy miraharaha izay lalàna izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.