Tranga: Tonga tao Antananarivo hividy moto, nanjavona niaraka tamin’ny 6 tapitrisa Ariary

  • mercredi, 12 septembre 2018 22:51
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny alatsinainy 10 septambra 2018 i Andriamanjaka Félix no tonga tao Antananarivo. Hividy entana no anton-dia, anatin’izany ny fividianana moto.

Niara-dia tamin’ny zanaka hanabaviny antsoina hoe : Dezy izy tamin’io. Nitsofoka tao anaty tranombarotra hanontany vidina moto ity farany, fa i Félix nijery izay ho safidiny tetsy ivelany niaraka tamin’ny kitapo misy vola manodidina ny 6 tapitrisa Ariary.

Raha nivoaka ilay toeram-pivarotana hijery azy i Dezy, dia nanjavona tampoka i Félix ary tsy hita hatramin’izao.
Manana fihaviana avy aty Sambava, monina ao Andranojoby, Kaominina Tanambao-Daoud i Andriamanjaka Félix.

Efa naparitaka eny amin’ny mpitandro filaminana any an-drenivohitra ity toe-javatra ity hoy ny fianakaviany izay vonona hanome valisoa ho an’izay manome vaovao hahitana an’i Félix.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.