Mpizara lay misy odimoka: Mitaky ny tambinkaramany ireo ACCMID

  • mercredi, 05 septembre 2018 13:46
  • Sary nomena

Mbola mitohy ny fitakiana ataon'ny ACCMID (Assistant Communal de Campagne MID (Moustiquaires Impregnées D'insecticide) hatramin'izao. Misy amin’izy ireo no voalaza fa tsy mbola nahazo tambin-karama volana martsa sy aprily 2018 ka hatramin'izao nefa nahavita ny asany soa amantsara, toy ny ACCMID DIANA.

Efa nahazo tambin-karama martsa sy aprily ny ankamaroan'ny ACCMID, fa ny sasany kosa tsy mbola naharay na dia Ariary aza, nefa ny fifanaraham-piaraha-miasa andiany voalohany efa tapitra tamin'ny volana jona 2018.

Tsy nahazo tambin’ny solika izay nampanantenain’ny fanjakana tamin'ny “1er contrat” ihany koa ny ACCMID, nefa efa madivadiva ho tapitra ny fizaràna lay misy ody moka. Manao izay ho afany ihany ny tompon'andraikitra eny ifotony mampahatsiahy io tambin-karama tsy voaloa io fa tsy misy tohiny avy any amin’ny ministera.

Mandrahona ny tsy hamita hatramin'ny farany ny adidiny amin'ny fifanarahana faharoa, izay nanomboka tamin'ny volana jolay 2018 ka hifarana amin'ity volana septambra ity ireo ACCMID, raha tsy voaloan'ny fanjakana daholo ny tambin-karama tamin'ireo asa efa vita, indrindra fa ny tamin'ny fifanarahana voalohany.

Manao antso avo amin'ny Praiminisitra lehiben'ny Governemanta ny ACCMID, mba hijery akaiky ny fandoavana ny tambin-karaman'izy ireo.

Lazain'ny fanjakana fa tsy tao anaty lisitra ireto ACCMID ireto nefa na ny mpamatsy vola aza de mahalala tsara ny hoe : "Kaominina IRAY = ACCMID iray" ; ary indrindra, ny Kaominina niasan'ireo ACCMID izay lazaina fa tsy anaty lisitra dia tafiditra ao anaty faritra itsinjarana ireo lay misy ody moka ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.