Sambava-BEPC 2018: Nanomboka ny fitsarana laza adina, 1.063 no tsy niatrika fanadinana

  • mardi, 04 septembre 2018 14:18
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nanomboka tamin’ny 9 ora maraina teto amin’ny sekoly Filadelfia FJKM ny dinidinika niharahan’ireo mpampianatra hitsara ny taratasim-panadinana BEPC, ka ny taranja malagasy sy SVT (Science de la Vie et de la Terre) izay efa vita, ny andro voalohany, no nisantarana izany.

Nivoaka teto ny fahavitsian’ny mpitsara raha oharina amin’ny isan-taona, ary tsy nahitana mpampianatra avy amin’ny Lycée Mixte izay tokony ho mpandrindra isaka ny taranja, ka voatery izay vonona teto ihany no nifanarahana.

Nanaitra, hoy ireo mpitsara ny laza adina SVT, fa zavatra tsy tafiditra tao anaty programa mihitsy nefa nivoaka, hoy izy ireo, ary isa 5 be izao izay tena manan-danja.

Navesatra tamin’ny mpampianatra ihany ity fanadinana ity, izay nosokajin’izy ireo ho taona miavaka satria na ny mpanara-maso ohatra dia tsy misy raha tsy iray isaky ny efitrano, tamin’ireo fanadinana miisa fito ao amin’ny foibem-panadinana Lycée Mixte Sambava, ary eo ihany koa sady Chef de Centre no mbola Secrétariat raha teo.

Hozaraina roa ny toerana hitsarana ireo taratasim-panadinana ho an’ny Cisco Sambava, dia ao amin’ny Lycée Amboangibe sy eto Sambava.

Ho an’ny Cisco Sambava dia tafakatra 1.063 ireo mpiadina tsy tonga raha 8.124 no voasoratra anarana, ka 7.061 no tonga nandray anjara tamin’izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.