Toamasina: Miverina indray ny fahatapatahan’ny herinaratra tato ho ato

  • dimanche, 02 septembre 2018 17:37

Maro ny nahatsapa fa manomboka tsy mitombina ny herinaratra eto Toamasina tato ho ato izay, saika misy hatrany fahatapahan’izany herinaratra izany matetika nefa tsy mbola misy ny fanazavana ofisialy avy amin’ny Jirama Toamasina ny antony, nefa maro ny fiharian’ny olona sy ny filan’ny olona no simba sy mikorontana vokatr'izany.

Saika isan’andro manomboka amin’ny 06ora hatramin’ny 09ora maraina ny fahatapahana voalohany, manodidina ny amin’ny 12ora hatramin’ny 02 na amin’ny 03ora kosa ny faharoa, ary ny hariva no tena somary lavalava kokoa satria mazàna manomboka amin’ny 05ora izany ka tsy miverina raha tsy amin’ny 08ora na amin’ny 09ora alina arakaraka ny Fokontany sy ny tamban-jotra misy.

Raha jerena ireo ora rehetra misy fahatapahana ireo dia saika amin’ny fotoana fanarahan’ny olom-pirenena vaovao avokoa; nefa raha ny tamin’ity alahady ity izao, vokatr’io fahatapatapahan’ny herinaratra io dia saika voakorontana avokoa ny fotoam-pivavahana nisy teto Toamasina afa-tsy ireo fiangonana manana gropy vonjy taitra amin’ny herinaratra ihany no afaka nanaraka tamin’ny antsakany sy andavany ny fotoam-bavaka.

Miandry fanazavana ofisialy avy amin’ny Jirama ny vahoaka sy ny mpandraharaha ary ny mpanjifa, fa efa mihatra amin’ny fiharian’ny maro sy ny filan’ny maro ny zava-misy ny fahatapahan’ny herinaratra.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.