Sambava: Lafarina sy vary 200 gony miampy Spaghetti sy paty 100 baoritra efa simba, sarona tamina mangazay iray

  • samedi, 01 septembre 2018 14:55
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nandritra ny fisafoana nataon’ny sampandraharahan’ny varotra sy ny fanjifana ato SAVA ny 28 aogositra 2018 no nahitana ireto entana efa simba ireo, nefa mbola nokasaina hamidy amin’ny mpanjifa.

Nomena toromarika haingana ilay tompony mba hanao fampilazana ny amin’ireo entana na tsy lany daty aza fa simba noho ny antony mety avy tamin’ny fitaterana na mety ho vokatry ny fitehirizana ratsy azy. Raha ity manokana ity ohatra dia mbola tokony any amin’ny desambra 2018 izy vao tsy azo ho anina intsony nefa hita fa efa simba nialohan’ny fotoana ka tsy misy azo atao.

Ny 29 aogositra 2018 raha mbola niverina nanao fanaraha-maso tampoka tao amin’ilay mangazay ihany ny tompon’andraikitra dia akory ny hagagana fa indreo ny mpiasa maro be manivana zavatra efa simba ka teo niainga ny fepetra tsy misy hatakandro intsony.

Nakatona avy hatrany ilay mangazay ary noraofina avokoa ireo entana sakafo simba tao dia nopotehina tany ivelan’ny tanàna nodorana sady nalevina mba tsy ho azo raofina sy tsy hanimba ny tontolo iainana, hoy ny Talem-paritry ny varotra sy ny fanjifana ato SAVA, Atoa Be Christophe.

Tsy mba fahita firy aty SAVA izany atao hoe : ‘’SOLDE’’ na varoboba izany. Entana efa hita izao fa tokony hamidy haingana mba tsy ho simba na ho lany daty saingy naleon’ny tompony miafara amin’izao. Raha tsy sarona izy ireo dia ny mpanjifa indray no nizaka ny vokany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.