Sambava: Efa-dahy nahatrarana basy sy bala marobe

  • samedi, 01 septembre 2018 13:55
  • Sary Gasypatriote Sambava

Avy any Antalaha ary handeha hividy lavanila no filazan’izy efa-dahy raha niditra tao amin’ny Fokontany Anjala Kaominina Tanambao –Daoud.

Nivadika ho mpivarotra basy indray anefa ny dian’izy ireo taty aoriana dia teo no niditra an-tsehatra ny Fokonolona ka nampandre ny Zandarmaria tato amin’ny Poste Avancé Anjagnoveratra ny Alahady 26 aogositra 2018, hoy ny Chef de Poste GP1C Tsimiambina Henri.

Nosamborina avy hatrany izy ireo mba hanaovana famotorana. Nahitana taratasy mazava tsara tokoa ireto basy Carabine Air comprimé – Calibre 5,5 mitondra marika Baikal ireto, saingy tsy tamin’ny anaran’izy ireo.

Natolotra ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany Antalaha izy ireo ny zoma 31 aogositra 2018 tolakandro.

Tsy nahafaly ny fianakaviana anefa izao zavatra nataony Zandary izay nampiantso mpanao gazety izao satria tsy meloka ny havanay ka voatery tsy maintsy hiantso haingana an'ny “Substitut » izahay, hoy izy ireo, izay tsy fantatra iza io ?

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.