Sambava: Manjaka ny ady tany

  • jeudi, 23 août 2018 11:28
  • Sary Gasypatriote Sambava

Endrika iray nisehoan'izany ny teto Menagisy-Sambava. Ny alarobia 22 aogositra vao tamin’ny 5ora sy 30 maraina dia efa niatrana ireo mpitandro filaminana mba hisoroka izay mety hiseho, nandritra ny fandrodana ireo trano izay tafiditra amin’ny tany manan-tompo.

Nanoritra mazava tsara ilay tompon’ilay tany, izay teratany Sinoa fa tany manan-tompo ary efa mifefy ara-dalana io, nefa ataon’ireo olom-bitsy fitadiavam-bola ka ampidiran’izy ireo olona hanorina trano. Efa nomena fe-potoana herinandro ireo olona ireo, hoy ilay Sinoa mba samy hanala ny azy fa “tsy nisy taitra ka tsy maintsy niafara tamin izao izahay”.

Nangataka kosa ny mpitandro filaminana mba tsy ho potehina ny fitaovana mba hahafahana mamadika azy ho ampiasaina amin’ny lakozian’ny miaramila.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.