Sambava: Misy mikasa hifofo ny ain’i depiote Mamangy Norbert dit Jack?

  • samedi, 18 août 2018 09:53
  • Sary Gasypatriote Sambava

500 metatra miala ny trano fonenany no indro nahitana kitapo nisy basy vita gasy calibre 12 miisa telo, miaraka amin’ny bala. Olona sendra handeha anaty ala tamin’ny 6ora sy sasany maraina no nahita izany, ary niantso vonjy tamin’ny namany teny amin’ny lalana rehefa nanokatra ny kitapo ka nahita ireto fitaovam-piadiana ireto.

Nihazakazaka teny amin’ny solombavambahoaka Mamangy Norbert dit Jack izy ireo, nampandre ny zavatra hitany ary nitondra izany tany amin’ny borigadin’ny Zandarmaria misahana ny heloka bevava; ireto farany izay mbola manohy ny famotorana taorian’ny tranga niseho tetsy amin ny trano fonenan’ity solombavambahoaka ity teny Antohomaro ny alakamisy lasa teo, izay nifanjevoana tamina andian’olona miisa 4 tsy mazava ary nifanenjehana ka ny moton’ny roalahy sisa no navelany fa lasa nitsoaka anaty ala ireo jiolahy, ny roa hafa tafatsoaka tamin’ny moto iray nanaraka ny lalam-pirenena mihazo an’Antalaha.

Efa misy olona dimy no efa voasambotra ary anaovana famotorana lalina any amin’ny fitsarana tamin’ity herinandro ity.

Dia izao nahita basy mampiahiahy izao ihany koa ka mahatonga ny fanontaniana hoe: misy mikasa hifofo ny ain’ny solombavambahoaka voafidy teto Sambava ity tokoa ve ?

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.