Atsimo Atsinanana: Ravan’ny Polisy ireo andian-jiolahy mitam-piadiana nandravarava

  • samedi, 18 août 2018 09:52

Nody ventiny ny ezaka nataon’ireo Polisy miasa ao amin’ny Brigade Régionale de sécurité Publique Atsimo Atsinanana satria dia tratra avokoa ireo andian-jiolahy mitam-piadiana izay mandravarava amin’ny halatra omby sy vaky trano miaro vono olona.

Tsy latsaky ny folo ny olona efa matin’ireto fikambanan-jiolahy ireto. Tompon’antoka tamin’ny famonoana mpiasan’ny Madagascar National Parks iray tao Manombo telo taona lasa izy ireo.

Mbola isan’ireo mpangalatra taolam-paty ihany koa ary izy ireo ihany koa no nangalatra ny lakolosin-dry mopera ao Maropagnahy Kaominina Manambotra Atsimo Distrikan’i Farafangana.

Niaiky ny heloka nataony ireo jiolahy, nefa ny mampalahelo, hoy ny Commissaire divisionnaire Andrianony Philibert dia mbola misy olona sahy miaro azy ireo.

Rahalahina sefo Fokontany iray no tompon’ny basy fampiasan’ireo dahalo manafika sy mamono olona, nefa dia ilay sefo Fokontany no miaro ireo olon-dratsy ary miafina ao amin'ny manamboninahitra iray eto Farafangana, hoy hatrany ny fanazavana.

Tsy mihemotra izahay ato amin'ny Brigade Régionale de la Sécurité Publique Atsimo Atsinanana, fa hamongotra ny mpanao ratsy, ary miantso fiaraha-miasa amin’ny Fokonolona hanome loharanom-baovao hanamora ny fisamborana ireo jiolahy, toy ny fijoroana vavolombelona ataon’ny mpiray tampo amin'ny maty tao Maropagnahy sy ny Mpanjaka ao an-toerana, izay manana fitarainana ihany koa amin’ilay sefo Fokontany.

Niakatra Fitsarana ny zoma 17 aogositra teto Farafangana ireo dimy lahy voarohirohy mivantana tamin’ireo heloka bevava ireo, ary notanana am-ponja vonjimaika avokoa.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.