Fanafihana mitam-piadiana: Raim-pianakaviana iray rotiky ny bala ny vavany iray manontolo

  • dimanche, 12 août 2018 22:06
  • Sary Gasypatriote Sambava

Omaly hariva raha iny mbola teo am-pisakafoanana hariva iny indrindra ny fianakaviana iray teto Ampohafana, Kaominina Marojala no niditra ny dahalo efa-dahy nitondra basy lava iray sy poleta.

Aiza ny lavanila, ary raha nikasa ny hanohitra ilay raim-pianakaviana dia tifitra no nasetrin’ireo dahalo azy, izay niantefa teny amin’ny vavany. Taorian’izay dia nofatoran’ireo dahalo ny zanany roa, 17 taona sy 15 taona.

Lasan’ireo dahalo ny lavanila maina milanja eo amin’ny 60kg, ary lavanila tsy mbola maina tsara 40kg. Nikoropaka ny rehetra taorian’izay ka ny Fokonolona sasany nanenjika ireo olon-dratsy ary ny sasany kosa nitondra ilay naratra namonjy tobi-pahasalamana akaiky indrindra tao Marojala. Tsy vita tao ny fitsaboana noho ny halehiben’ny fahavoazana ka nakarina aty amin’ny hopitalibe Besopaka-Sambava.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.