Sambava: Hita faty androany ilay dahalo votsotra teo ampelatanan’ny Zandary

  • jeudi, 09 août 2018 19:58
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ankizy roa manodidina eo amin’ny 13 taona, izay sendra nandeha nihaza ireny voronkely hamoron-drano ireny, no taitra raha nahita faty tao anaty lobolobo, ka nihazakazaka nody haingana nampandre ny Ray aman-dreny, ary ireto farany ireto nanaitra ny mpitandro filaminana.

Androany tamin’ny sivy ora maraina no nidina teny ifotony nijery ny tranga, ary niaraka tamin’ny dokotera nitsirika ny razana.

Hita sy voaporofo fa tena ilay dahalo avy tao amin'ny Fokontany Soavinandriana, tratra nangalatra lavanila 25kg, volam-piangonana 2 tapitrisa ariary ary akoho amam-borona ny alin'ny zoma 3 aogositra ity hita faty ity. Ny alahady tokony tamin’ny fito ora maraina izy no votsotra teo ampelatan’ny Zandary, ary saika niteraka savorovoro teto Sambava, izay nilanjan'olona sora-baventy mihitsy.

Nihohoka no nahitana ny razana ary tsy nahitana "menottes" ny tanany.

Mbola nijanona ho tsiambaratelo amin’ny mpitsabo ny antony mety ho niteraka fahafatesana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.