Sambava: Fianakaviana iray lasibatry ny fanapoizinana sakafo

  • jeudi, 09 août 2018 10:34
  • Sary Gasypatriote Sambava

Zaza 03 taona niaraka tamin'ny zokiny 5, 7 sy 9 ary 17 taona ary ny ray aman-drenin’izy ireo no lasibatra ny alin’ny sabotsy teo, tany amin'ny Fokontany Ampangadiambato.

Fianakaviana tonga niantrano mba hatory fa tratra hariva no nahavanon-doza. Tamin’ny alalan’ny sakafo sy zava-pisotro nifampizarana ny hariva no nampiasany ny teti-dratsy. Renoka tsy nahatsiaro izay ambon’ny tany ny iray trano nony alina ny andro.

Ny varavarana misokatra ny maraindraina, nefa tsy misy mivoaka, no nanaitra ny maro ka nampandre avy hatrany ny mpitsabo izay tao amin'ny Fokontany Ambaritelo nihazakazaka nandeha namonjy azy mianakavy kely haingana ireto. Ny alarobia teo vao nahazo aina tsara izy ireo.

Lavanila maina milanja 6kg no very nandritra izany.
Nametraka fitarainana eny amin'ny Zandary ny niharan’ity fanapoizinana ity.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.