DREN Vakinankaratra: Vita ihany ny famindram-pahefana

  • mercredi, 08 août 2018 17:12

Vita ihany ny famidram-pahefana teo amin’ny mpitantana ny DREN Vakinankaratra rehefa niandrasana ora maromaro. Ny filan-kevitry ny Minisitra ny 1 aogositra 2018 lasa teo no nanafoanana ny fanendrena an’Atoa Rakotosalama Zefa Arisoa, nitantana ny DREN Vakinankaratra nandritra ny efa-taona, ary nanendrena an’Atoa Rakotoarimanana Heriniaina Nomenjanahary, mpitantana vaovao.

Nampanantena ny talem-paritra vaovao, izay mbola tanora dia tanora tokoa, fa hitady ny filaminana ny sehatry ny fanabeazana ny tenany ary tsy hanao tsinotsinona ny fitakian’ny mpampianatra, saingy tsy hanao tsinotsinona ny fanabeazana ny zana-bahoaka.

Niteraka resabe eo amin’ny samy Sendika moa ity fanendrena ity satria ambaran’ireo SEMPAMA Nosy fa avy tamin’ireo mpamono afo ity olom-boatendry vaovao ity, ka mbola mitohy ny tolona ho azy ireo, saingy namafisin’ny mpitantana vaovao ity fa hamaha olana no ahatongavany eo.

Nisy ny solontenan’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena niatrika ny famindram-pahefana.

(Sary Gasypatriote Antsirabe)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.