Venezuela: Nisy nanafika tamin'ny alalan'ny drone

  • lundi, 06 août 2018 14:40
  • Sary nindramina Capture vidéo Lepoint

Nandritra ny matso lehibe nataon'ny miaramila ny asabotsy 04 aogositra teo, rehefa nandray fitenenana ny filohan'ny Venezuela, Nicolás Maduro, dia nisy drone 2 nizotra ho eny amin'ny tribune, ny iray tsy tody fa nidoboka ary nipoaka tamin'ny rindrina, ny iray kosa tratran'ny brouillard radio nanodidina ny toeran'ny manam-pahefana ka nivily lalana ary nipoaka tamin'ny toeran-kafa.

Fantatra araka ny fanambaran'ny minisitry ny atitany veneziolianina, fa nisy baomba avokoa ireo drone roa ireo, baomba mampidi-doza ao anatin'ny faritra 50m.

Fito ny miaramila naratra ka nahiditra hopitaly.

Tsy nihambahama ny Filoha Nicolás Maduro, rehefa avy navoaka ny kianja, no nanondro ny filoha kolombianina, Juan Manuel Santos, ho tompon'antoka amin'izao asa fampihorohoana izao, ary nolazainy mihitsy fa misy mpamatsy vola mialokaloka any Amerika miaraka aminy amin'izany.

Nandà ny fisian'izany moa ny Kolombianina sy ny Amerikanina.

Misy olona 6 no efa voasambotra, miaraka amin'ny fiarakodia maromaro, izay olona heverina fa fototry ny fampihorohoroana tamin'ny 2017 tao andrefan'ny Caracas ihany koa.

Venezuela moa izao dia mandalo krizy ara-toekarena lehibe, satria raha ny filazan'ny FMI, dia efa ho 1 000 000% ny fiakaran'ny vidim-piainana ao an-toerana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.