Sambava: Atrik’asa momba ny ady amin’ny fitsaram-bahoaka

  • jeudi, 02 août 2018 08:06
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tonga niatrika ny lanonam-panokafana ny 1 oagositra, ny minisitry ny Fitsarana, HARIMISA Noro Vololona, sy ny Minisitry ny filaminana anatiny, ny Contrôleur général de police Erick Michel Wouli Soumah Idrissa, ary ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Zandarimariam-pirenena, ny Jeneraly Randriamanarina Jean Christophe.

Voakilasy ho faritra faharoa anjakan’izany fitsaram-bahoaka izany ny Faritra SAVA, ka ato anatin’ny roa andro no hikaon-doha miaraka amin’ireo Benin’ny tanàna, ary hitohy amin’ny varavarana misokatra ho an’ny daholobe, hijerena ny antony mahatonga izany, ary no mety ho vahaolana hanafoanana azy.

Nanipika mazava ny Minisitry ny Fitsarana teto, fa asa masina ny asan’ny Fitsarana, fahefana nindramina ka dia manentana antsika mba hanao ny asantsika ao anatin’ny fahatahorana an’Andriamanitra, mba tsy hahazoantsika tsiny. Ndao isika, hoy izy, hiaraka hamongotra ny fitsaram-bahoaka fa samy tompon’andraikitra, ary na izaho na ianao mety hiharan’izany hoy hatrany ny teniny.

Ny zavatra tsikaritra teto dia nilaza ny Prefen’i Sambava fa “efa tsy nisy fitsaram-bahoaka intsony taty aminay hatramin’ny fiandohan’ity taona 2018 ity, tetsy ankilany anefa ny depiote vaofidy teto Sambava nanipika fa “tsy marina izany fa misy ny fitsaram-bahoaka aty fa aza afenina ny marina”.

Niteraka resabe ihany koa ny nandefa horonantsary mirakitra tranga fitsaram-bahoaka niseho tany ivelany, fa tsy izay niseho taty amin’ny faritra, toy ny tamin’ny 25 jona 2018 teo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.