Tsihombe: Romotra amin’ny Jirama ny mpanjifa

  • mardi, 31 juillet 2018 18:36
  • Sary nomena

Midina an-dalambe, sady milanja sorabaventy androany, ny mpanjifan’ny Jirama eto Tsihombe, Faritra Androy, manoloana ny fitantanana ny jiro ataon'ny Jirama.

Tapaka efa ho telo herinandro izao ny jiro eto an-toerana, ary samy mizaka izany ny rehetra, fa ny tena mahatezitra ny mpanjifa dia misy ampahan'olona vitsivitsy mahazo jiro tampotampoka eo fa hoe : nandoa vola an-tsokosoko ?

Misy gropy mandeha ihany izany eto an-toerana, saingy angamba tsy mahazaka an'i Tsihombe manontolo, fa mety afaka ampiakarana rano ihany, dia iny no haraharaotina anomezana an'izay te handefa jiro fa sandaina vola.

Tezitra araka izany ny olona ka mandrahona hanakatona ny foiben’ny Jirama, ary ahiana hanimba zavatra raha tsy voavaha ny olana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.