Sambava: Mifanenjana ny SEMPAMA Nosy sy ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena

  • mardi, 31 juillet 2018 18:21
  • Sary Gasypatriote Sambava

Tonga eto Sambava ny Talen’ny kabinetran’ny Minisitry ny fanabeazam-pirenena, Atoa Florent Achile, izay nanambara fa “tsy maintsy mandeha ny fanadinam-panjakana ary porofon’izany dia efa tonga izao ny laza adina ho an’ny CEPE hatao ny 14 aogositra 2018. Ho an’ny BEPC indray dia efa vita safidy ny laza adina ka afaka roa herinandro no manonta azy ao amin’ny CNAPMAD ny fanjakana”.

Tiana no hanome ny 100.000Ar indray mandeha monja amin’ny fitakiana ataonareo mpampianatra fa ny toe-bola dia tsy ampy amin’izany.

Ny Talem-paritry ny fanabeazana vaovao aty SAVA, Manahaka Davy, izay vao natolotra tamin’ny fomba ofisialy androany kosa niangavy ireo mpampianatra izay mitokona mba hiverina hiasa ary fara faharatsiny mba manao fanadinana fa “raha tena tsy hanao kosa ianareo mpampianatra”, hoy izy dia “voatery izahay iangavy ireo Ben’ny Tanàna rehetra miaraka amin’ny mpiasan’ny Kaominina hanampy amin’ny surveillance amin’ireo fanadinana ho avy ireo fa efa tsy mihemotra izany”.

Tetsy ankilany dia nikaon-doha tao amin’ny EPP Sambava-Centre tamin’ity androany ity ireo mpampianatra mivondrona amin’ny sendika SEMPAMA Nosy, niaraka tamin’ny mpianatra sy ny Ray aman-dreny izay nanambara fa raha tsy mivaha ny fitakiana dia tsy handray anjara amin’ny fikirakirana ny fanadinam-panjakana, izay hita fa ho fanapoizinana ho an’ny zaza Malagasy, izahay mpampianatra rehetra aty SAVA hoy Atoa Christophe.

Nandritra izany koa dia nampiaka-peo ireo mpianatra fa marary aminay raha tena tsy hisy ny fanadinam-panjakana ary tsy mbola hitanay izany fanadinana manokana ho an’ny sekoly tsy miankina izany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.