Sambava: Ben'ny Tanàna nitarika andian'olona nitokona nanoloana ny biraon’ny Distrika

  • lundi, 30 juillet 2018 17:43
  • Sary Gasypatriote Sambava

Nitontona teto amin’ny biraon’ny Distrika androany tamin’ny 11ora ireo vahoaka avy ao amin’ny Kaominina ambanivohitra Ambohimalaza izay notarihiny Ben’ny Tanàna izy ireo, Atoa BIVA Marcellin.

Raha ny zava-nisy dia niatrika famotorana ny zoma lasa teo iny, tao amin’ny mpitandro filaminana ity Benin’ny Tanàna ity, izay tafiditra tamin’ny ady tany teo amin’ny 2ha mampifanolana fianakaviana vitsivitsy ao an-toerana, ary efa in-telo nahazo fiantsoana avy tany amin’ny Fitsarana noho raharaha izany ity farany ity, fa tsy namaly izany ka amin’izao raha nasaina nitondra vavolombelona roa izy mialohan'ny hanolorana ny raharaha any amin'ny Fitsarana dia izao nitatitra vahoaka tamin’ny fiara sady nilanja sorabaventy ny tsy fanekena ny hahazoan’ireo fianakaviana tompin'ny tany malalaka fanaovana fampisehoana ireny.

Ny fianakaviana avy andaniny anefa nanazava fa tsy tanim-panjakana io fa lovan’izy ireo fa mitady ho alainy Benin’ny Tanàna ankehitriny ankeriny.

Andrasana ny tohin'ny raharaha…

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.