Antsirabe: Miitatra ilay fandrobana tao Betafo

  • mercredi, 18 juillet 2018 14:35
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Niitatra teto Antsirabe ny fandrobana ny tranon’ilay mpandraharaha niharan’ny fandrobana sy rava fananana tao Betafo ny Alatsinainy teo, vokatry ny feo niely fa misy mangala-jaza mihazo halatra taova. Manana trano eto Andrefantsena-Antsirabe ihany koa ilay mpandraharaha ka omaly Talata maraina dia efa niely ny feo fa hisy andian’olona avy any Betafo handrava ny tranony, izay mpanofa no mipetraka ao.

Mailo ireo mpanofa vao nandre izany ka nanala avy hatrany ny entana azo raisina, ary nampian'ny fokonolona tao Andrefantsena mihitsy aza. Ny tolakandro dia tomefy olona tokoa teo an-toerana, izay efa toa niandriandry zavatra fotsiny.

Tonga ny mpitandro filaminana nandrava, saingy rehefa maizina dia nisy tora-bato. Voatery nanapoaka basy nanao tifi-danitra, narahina baomba mandatsa-dranomaso ny nataon'ny mpitandro filaminana nanaparitahana ny olona.

Niala ny mpitandro filaminana taorian’izay ary niangavy ny olona mba tsy handoro ny trano sao hiitatra amin'ny manodidina ka hitera-doza. Vao lasa anefa ny mpitandro filaminana dia norobain'ny olona sy nopotehin'izy ireo ny trano sy ny entana. Androany maraina io aza dia mbola mitohy ny fitaoman'ny olona entana sy hazo isan-karazany.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.