Mahajanga: Feran’ny Prefektiora ny fivezivezena ao amin’ny Doany Miarinarivo efadahy Manankasina

  • mercredi, 18 juillet 2018 09:15

Namoaka naoty ny prefektioran’i Mahajanga ny maraina teo fa tsy azon’iza n’iza atao afa-tsy ny ben’ny varavarana ihany ny mifamezivezy ao amin’ny Doany Miarinarivo efadahy Manankasina nanomboka omaly 17 jolay 2018 maraina ary hatramin’ny fotoana tsy voafetra.

Noraisina io fanapahan-kevitra io ho fandaminana amin’ny fitandroana ny filaminana sy ny fampandriana fahalemana eny amin’ny Doany. Raikitra indray mantsy ny sakoroka teny an-toerana ny alatsinainy teo. Nisy ny naratra vokatry ny tora-bato sy ny vely kibay.

Niakatra teny amin’ny Doany hanao ny fanokafam-baravarana ny tariky ny Ampanjaka Rasamimanana, saingy tsy navelan’ny tariky ny Ampanjaka Rasoamody nikasika n’inon’inona ka teo no nahatonga ny korontana.

Ahiana ny tsy hahatomombana ny Fanompoa amin’ity taona ity satria andro sisa isaina dia tonga ny fotoanan’ny fanompoam-be, kanefa izao tsy mety milamina izao ny ety an-toerana.

Nanamafy kosa anefa ny avy eo anivon’ ny prefektioran’i Mahajanga fa raha misy fifanomezam-pitokisana fa hifandamina ny roa tonta dia ho foana eo noho eo ny naoty izay navoakan’izy ireo.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.