Lalam-pirenena faha-44: Vinavinaina hatomboka amin'ny 2019

  • mercredi, 18 juillet 2018 08:42
  • Sary MTPM

Vonona ny hanohana ny tetikasa fotodrafitrasa eto Madagasikara ny Banky Iraisam-pirenena. Nivoitra io, tetsy Anosy ny alatsinainy 16 jolay 2018, nandritra ny fihaonan’ny minisitry ny Asa Vaventy sy ny Fotodrafitrasa, Andriantiana Jacques Ulrich sy ny delegasiona notarihin’ny solontena maharitra ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Coralie Gevers.

Voaresaka nandritra io fihaonana io ny fandinihina ny fitohizan’ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta eo amin’ny sehatry ny asa fanamboaran-dalana ao anatin’ilay tetikasa vaovao antsoina hoe « Appui à la connectivité de transports ».

Lalana maromaro no ho asiam-panamboarana ao anatin’izany, toy ny lalam-pirenena faha-12A, ny faha-32 ary ny faha-44 izay vinavinaina hatomboka amin'ny herintaona.

Tanjona ny hialana amin’ny fitokana-monina entina hampiroboroboana ny sehatr’asa ara-toekarena sy ny seha-pamokarana eto Madagasikara.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.