Manohisoa-Betafo: Fiara 4x4 potika vokatry ny tsaho

  • jeudi, 12 juillet 2018 14:52
  • Sary Gasypatriote Antsirabe

Tsaho avokoa no niely tamin’ny tambazotran-tserasera omaly milaza fa misy Silamo manao trafika taova ao amin’ny tanàna atao hoe Antsahondra, Kaominina Manohisoa, Distrikan’i Betafo. Tanàna miorina an-kavoana i Antsahondra ary Malagasy, mpifindra monina no nanorim-ponenana ao efa ho efa-taona izao.

Ny mahatonga ny ahiahy dia ny fisiana 4x4 mivezivezy ao, fanorenana trano lehibe iray ka io no nisy nanely tsaho fa Mosquée. Notafihin’ny Fokonolona niaraka tamin’ny Zazamainty sy Zazamena (Andrimasompokonolona) tao Antsahondra omaly fa hoe : mangala-jaza ; vao avy nisy tovolahy mpiandry voalaza fa very saingy tafatsoaka ka tafaverina ny ampitson’ny nahaverezany ka ny fitantarana miendrika fijoroana vavolombelona nataony no nampirongatra ny hatezeran'ny olona, ka nampirohotra azy ireo hanafika tao Antsahondra.

Misy miaramila avy amin’ny DAS (Détachement Autonome de Sécurité) karamaina miambina anefa ao Antsahondra noho iny faritra iny anaty faritra mena anjakan’ny asan-dahalo. Nanao tifi-danitra ireo miaramilan’ny DAS ireo nanoherana ny firodorodon’ireo zazamainty sy zazamena ka izany no vao mainka nampiely ny feo fa Silamo ireto mitam-basy ireto.

Tonga tao ny andiana mpitandro filaminana fanampiny avy any Mandoto, tonga ihany koa ny lehiben’ny Distrikan’i Betafo, tany ihany koa ny mpanao gazety avy ao Antsirabe samy nahita maso ny zava-misy ary mandiso ny vaovao niely ; Chapelle na trano fivavahana ampiasain’ny olona manodidina no misy ary ny trano andalam-panorenena ilay nambara fa Mosquée.

Noho ilay tsaho niely anefa dia nopotehin’ny olona ny fiara 4x4 miisa roa an’ireo olona ao Antsahondra ireo, raha handeha hividy fitaovana kojakojan-trano sy sakafo ao Ambohimasina.

Nilamindamina ny toe-draharaha omaly alarobia hariva, fa amin’ity alakamisy ity dia milaza ny hiverina hanafika ao Antsahondra ireo Zazamainty.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.