Sakaraha: Mirongatra ny tsy fandriampahalemana

  • mercredi, 11 juillet 2018 21:17

Mitaintaina andro aman’alina ny mponina aty Sakaraha manoloana ny firongatry ny tsy fandriampahalemana. Tsikarika io taorian’ny nampiatoana ny dinam-pokonolona antsoin’ny aty an-toerana hoe : “DINA BE”.

Tato anatin’ny iray volana teo izay, dia mirongatra izay tsy izy ny halatra omby ; tsapa izany ato amin’ny Kaominina Mahaboboka. Efa 12 izao ny trangana halatr’omby tato Mahaboboka fotsiny. Omby aman-jatony no very, misy ny aina nafoy, ao ny naratra.

Mangataka ny mponina aty Sakaraha mba hamerenana hanan-kery tsy misy hatakandro ny “DINA BE” ary koa mba handefasan'ny fanjakana andiana mpitandro filaminana hampandry tany, sy hanetsehana ny helikopteran’ny BIA (Bataillon Interarmes de l'Armée) ao Ihosy hanampy ireo miaramila an-tanety hanenjehana ireo dahalo mpangalatra omby satria raha izao no mitohy dia miraviravy tanana ny mponina, izay tantsaha ny ankamaroany.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.