Bekopay – Mahajanga II: Basy gasy nitadiavana mpividy, tra-tehaka

  • mercredi, 11 juillet 2018 14:34
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Basy poleta vita gasy miisa 3 no saron'ny Zandary tany Bekopay, Distrikan'i Mahajanga faharoa tao an-tranona lehilahy. Hitadiavana mpividy ireto basy ireto, ary telo lahy izy ireo no tompon'ny ketrika saingy ity farany no saron'ny Zandary, nitazona ireto fitaovam-piadiana ireto.

Fampiasan'ireo dahalo mpangalatr'omby any ambanivohitra ny basy vita gasy ary tena nahazo vahana tato ho ato, taty amin'ny faritanin'i Mahajanga. Tambazotra ny mpanamboatra sy mpivatotra azy itony.

Mbola karohina ny roa lahy hafa naman'ity rangahy ity ary hatolotra ny Fampanoavana kosa izy aorian'ny fanadihadiana.

(Jereo Sary Tohiny)

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.