Toamasina: Miomana fatratra amin’ny fandraisana ny Kardinaly Tsarahazana

  • lundi, 09 juillet 2018 13:31

Efa tsara omana ny fitsenan’ny vahoakan’i Toamasina sy ny mpino Katolika ny fahatongavan’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré eto an-toerana ny 13 jolay izao. Samy mikarakara ny mpino ao aminy ny paroasy ary samy manentana ny misy azy avy ireo isam-pokontany, toy izany koa ny tompon’andraiki-panjakana eto Toamasina.

Rahampitso talata 10 jolay amin'ny 3 ora tolakandro no higadona an-tanindrazana etsy Ivato Antananarivo ny Kardinaly Tsarahazana Désiré. Hivantana eny amin’ny Nonciature ao Ivandry misy ny fonenan’ny solontenan’i Papa eto Madagasikara izy aorian’izay, rehefa avy mandalo an'i Talatamaty, Imerinafovoany, Ambohibao, Ambohimanarina, Route du Pape, Alarobia.

Ny alarobia 11 jolay, amin’ny 5ora ny lamesa fandraisana azy ao amin’ny EKAR Antanimena.

Ny zoma 13 jolay kosa no hotsenaina eny amin’ny seranam-piaramanidina Ambalamanasy-Toamasina ny tenany, ka filarahambe no hitsenana sy hanateran’ny vahoaka sy ny mpino Katolika azy eny Ampasimazava misy ny trano fonenany sy ny birao fiasany.

Sambany no nisy Kardinaly hipetraka sy hanana birao ivelan’Antananarivo izany hatramin’izay.

Hisy lamesa lehibe hotarihin’ny Kardinaly Tsarahazana Désiré eo amin’ny tokontaniben’ny sekoly “La Salle” na “Stella Maris” teo aloha ny alahady 15 jolay.

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.