Faritra SAVA: Nividy fiara 4X4 mitentina 198.900.000 Ariary
- vendredi, 06 juillet 2018 18:44
- Sary Gasypatriote Sambava
Noraisina tamin’ny fomba ofisialy androany 06 jolay 2018 ity fiara ‘’Toyota Fortuner 2018 full option’’ ity, izay ho an'ny Faritra SAVA.
Vola madiodio avy tamin’ny tamberim-bidy ho an'ny Faritra no nividianana azy.
Marihina eto hoy ny lehibeny Faritra SAVA Velomaro Faustin fa "volam-bahoaka no nahafahana nividy azy ity ho ampiasaintsika ato amin’ny Faritra, ka raha hampiasa azy izahay dia mitaky tamberin’andraikitra.
Tsipihinay mazava ihany koa, hoy izy fa nanaraka ny pitsopitsony ara-dalana ara-panjakana ny nahazoana azy no sady nahazo fahazoan-dalana avy tamin’ny lehiben’ny governamanta".
Marihina fa ny faritra SAVA dia mbola tsy manana fiara mpamono afo na pompier, ka asa hatraiza ny laharam-pahamehana, amina fividianana fiara raitra sy lafo toy izao.
Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
http://sobikamada.com/vaovao/item/16574-faritra-sava-nividy-fiara-4x4-mitentina-198-900-000-ariary.html#sigProGalleriad7a3ab4b12
Laissez un commentaire
Le code HTML n'est pas autorisé.