Fitakian’ny mpampianatra: 100.000 Ar amin’ny 500.000 Ar nitolomana no mety ho azo

  • mercredi, 04 juillet 2018 17:37
  • Sary nomena

Manomboka mivoaka ny feo, ary tonga eny ampoto-tsofin’ny mpampianatra fa namoaka volavolam-bahaolana manoloana ny fitakian’ny mpampianatra izay anton’ny fitokonana saika manerana ny Nosy, sy ny tetiandro hanatanterahana azy ny komity mpanaramaso iraisan’ny ministeran’ny Fitantananam-bola sy ny Tetibola, ministeran’ny Asam-panjakana, ny Fanavaozana ny Fitantanan-draharahampanjakana, ny Asa, ny Fampananan'asa ary ny Lalàna Sôsialy ary ny ministeran’ny Fanabeazam-pirenena.

Raha ny fampitam-baovao tonga eny anivon’ny mpampianatra dia 100.000 Ariary amin’ny tombontsoa 500.000 Ariary notakiana no mety ho azo, ka haloa amin’ny oktobra 2018 ny 25.000 Ariary, ho azo amin’ny janoary 2019 ny 25.000 Ariary, ary aorian’ny jona 2019 any ny ambiny mameno ho 100.000 Ariary azy.

Tsy faly amin’io vahaolana io ireo mpampianatra, ka izay no voalaza fa anton’ny fitokonana miha mahery vaika kokoa nanomboka androany, ka namoahana ny mpiasa tetsy amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena Anosy, ny nialan’ny mpitokona tao amin’ny CAPR misy ny DREN DIANA ka niazoan’izy ireo ny Bloc Administratif namoaka ny mpiasan’ny Cisco Antsiranana I sy Cisco Antsiranana II. Ny Cisco Moramanga izay nanamafy ny tolona.

Hentitra ny tenin’ireo mpampianatra fa dia tomponandraikitra feno ny fanjakana raha ho taona fotsy ity taom-pianarana ity rehefa tsy mahavaha olana.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.