Morondava: Dahalo efatra, misy olona ambony manery ny hamotsorana azy

  • mercredi, 04 juillet 2018 16:26
  • Sary Gasypatriote Morondava

Notafihin’ny dahalo tao Ampandra, Kaominina Analaiva ny 20 jona 2018. Omby niiisa 225 no indray very tamin’io. Nanao fanarahan-dia ny Fokonolona sy ny mpitandro ny filaminana. Tratra tao Tanambao, Kaominina Mandabe, Distrikan'i Mahabo, ny 3 tamin’ireo omby, nisy 100 hafa koa hita tao Andranotakatra ao amin’io Kaominina io hatrany.

Dahalo 5 lahy no voasambotra, ka ny 3 azon’ny Miaramila, ny 2 azon’ny Zandary. Voarohirohy tamin’ny fanafihana mitam-piadiana samihafa nitranga tamin’iny faritr’i Menabe iny izy ireo.

Re anefa ankehitriny fa misy manamboninahitra ambony sy mpanao politika ato Menabe, manao tsindry amin’ny hamotsorana ireo olona voasambotra ireo. Tranga izay ahiana hampiraviravy tanana ny mpitandro ny filaminana ary koa mety hampahazo vahana ny fitsaram-bahoaka, ity farany izay nilazan'ny praiminisitra Ntsay Christian fa tsy azo ekena intsony, fa atolotra ny mpitandro ny filaminana sy ny fitsarana, izay olon-dratsy.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.