Manarintsoa Afovoany-Antananarivo : Trano 31 tafo may, 180 ireo tsy manan-kialofana

  • mardi, 03 juillet 2018 12:32
  • Sary nomena

Trano miisa 31 no may androany tamin’ny 1 ora maraina tao amin’ny Fokontany Manarintsoa Afovoany, Boriboritany voalohany. Ny 5 tamin’ireo trano may ireo dia trano biriky, ny 26 kosa dia trano hazo. Miisa 180 ireo tsy manan-kialofana vokatr’izao haitrano izao. 2 no naratra, tsy nisy ny aina nafoy.

Araka ny nambaran’ireo olona teny an-toerana dia mety ho resaka kakay no antony naha-may ny trano satria nisy nandraraka lasantsy ny varavaran’ny tonkatrano iray dia iny no niteraka firehetana tsy voafehy.

Tonga nankahery ireo traboina noho io haintrano io, sy nitondra fanampiana ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka ny toromariky ny Ben’ny Tanàna Lalao Ravalomanana dia ho raisina an-tanana maimaimpoana ny fanamboarana ireo taratasy ara-panjaka izay may rehetra teny an-toerana toy ny kopia, kara-panondro, bokim-piankohonana, … izay tanterahana ao amin’ny Boriboritany voalohany.

Ho tonga hanadio ny toerana may koa ny mpamonjy voina sy mpanadio tanànan’ny kaominina Antanananarivo Renivohitra, ho rarahana fanafody ny toerana mialohan’ny hanarenan’ireo mponina ny tranony may indray.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.