Mahajanga - Fisolokiana: Valonan-taratasy nofonosina vola no nanambakana olona ho « mercure »

  • vendredi, 29 juin 2018 12:36
  • Sary Gasypatriote Mahajanga

Ireto olona telo, miaraka amin’ny naman'izy ireo roa hafa, izay mbola karohina, no tompon’antoka tamin’ny fisolokiana vola hatrany amin’ny 10 tapitrisa Ariary. Nilaza ho manana mecure izy ireo ary hamidy 14 tapitrisa Ariary.

Rehefa nandeha ny adivarotra dia raikitra fa 10 tapitrisa Ariary no nifanarahana ary efa nandefa 2,6 tapitrisa Ariary ireo mpividy izay any Antananarivo, ny 25 jona lasa teo. Ny 26 jona 2018 indray no fotoana ifanarahana fa hanaovana ny fifanakalozana teny amin’ny Bord de la mer.

Nilaza ireto mpisoloky ireto fa mila omena aloha ny ambim-bola 8 tapitrisa Ariary ahafahana manao fombafomba ao amina lavabato iray izay manodidina ny Bord de la mer ihany.

Nomena ny vola, ary afaka fotoana fohy monja dia niverina avy any izy ireo nanolotra ilay hoe mercure nofonosina tanaty vola tety ivelany, saingy rehefa nojerena dia tsy nisy akory ny « mercure » fa taratasy voafono vola no nomen’izy ireo.
Ny Mercure moa dia mavesatra 13,5Kg ny iray litatra.

Avy any Maromandia any Antsohihy ireto mpisoloky ireto. Anio zoma 29 jona tolakandro no hatolotra ny Fampanoavana Fitsarana ambaratonga voalohany eto Mahajanga izy ireto taorian’ny fanadihadiana nataon’ny Zandary.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.