Fianarantsoa: Herinandro fanamarihana ny fetim-pirenena

  • dimanche, 24 juin 2018 18:06
  • Sary Gasypatriote Fianarantsoa

Tanterahina eto amin'ny Katedraly Anglikana eto Fosarato Manaotsara, ity tolakandron'ny alahady ity ny fotoam-pivavahana iraisam-pinoana iarahana amin'ny FFKM.

Izany dia isan'ireo fanetsehana manodidina ny fanamarihana ny fetim-pirenena sy ny faha-58 taonan'ny Foloalindahy.
Efa tontosa tao anatin'ny herinandro ireo fotoam-pivavahana notarihin'ny Fiangonana Advantista sy ny an'ny fivavahana Silamo.

Misy ihany koa ny fanentanana sivily izay ahitana “podium” roa karazany, dia ny tantanan'ny Kaominina renivohitra sy ny karakarain'ny fiadidiana ny Repoblika amin'ny alalan'ny fampisehoana niantsoana mpanakanto fanta-daza.

Miavaka ny hetsika fanamarihana amin'ity taona ity noho ny fanilovana manonkana ny Lapan'ny Tanàna Tsianolondroa.

 

 

Galerie d'images (Cliquer sur la photo)
Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.