Sambava: Sinoa iray notafihina telo lahy mitam-basy, lasa ny vola 15 tapitrisa Ariary

  • mardi, 19 juin 2018 22:16
  • Sary Gasypatriote Sambava

Ny alatsinainy 18 jona tamin’ny folo ora latsaka fahefany alina no nitranga ny fanafihana teto amin’ny Resto Line Antaimby Sambava.

Raha ny fanazavan'ny tompontrano dia fanaony ny mandefa ny mpiasa mody mialoha rehefa tapitra ny ora voafaritra hiasana ka matetika ireo mpanjifa farany izay mbola misakafo na misotro farany dia izy mivady sisa no mikarakara izany.

Omaly io ary dia olona telo lahy no sisa mbola nisotro ka efa nakatona kely moa ny varavarana ka tao anatin’izany no noharaoritin’ireto nikapoka tamin’ny hazo efa tsara omana nohentin’izy ireo, ary ny iray kosa avy hatrany nitsofoka tany amin’ny efitra fatorian’ny tompontrano ka namaky ny fitoeram-bola.

Vola 15 tapitrisa Ariary, tao anaty sakaosy mbola mihidy no lasan'ireo jiolahy.

Tao anatin’izany dia tafavoaka tany ivelany ilay ramatoa vadiny niantso vonjy.

Voarakitra tao anaty camera de surveillance avokoa ny tranga rehetra izay tokony hanamora ny asan'ireo mpitandro filaminana nanokatra famotorana.

Tsy nitifitra ireo dahalo, fa rehefa azon’ireo ny vola dia lasa nitsoaka izy ireo.

 

 

Laissez un commentaire
Assurez-vous d'indiquer les informations obligatoires (*).
Le code HTML n'est pas autorisé.